- Tsy maintsy atao ny miankohoka amin’ny rantsam-batana fito
- Tsy tsara ny manangona sy manambatra ny akanjo sy ny volo eo am-pivavahana
- Ny mpivavaka dia tsy maintsy tony tanteraka mandritra ny vavaka ataony, amin'ny fametrahana ireo rantsana fito amin'ny tany rehefa miankohoka, ka rehefa tafapetraka tsara amin'izany izy vao manao ny tonom-bavaka fatao amin'izany.
- Ny fandrarana amin'ny fanakanana ny volo tsy hiraraka amin'ny tany dia natokana ho an'ny lehilahy fa tsy vehivavy. Satria ny vehivavy rehefa mivavaka dia asaina misaron-tena.