Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat
Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : "Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat."
Notantaraiin'i Moslim
Explanation
Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny tsy fanatanterahana ny vavaka tsy maintsy atao, ary nilaza izy fa eo anelanelan'ny olona iray sy ny filatsahana ao amin'ny fanompoan-tsampy sy ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana ny soalat tsy maintsy atao, satria ny soalat no andry faharoan'ny finoana silamo, ary lehibe ny momba azy amin'ny finoana silamo. Ka izay tsy manatanteraka azy noho izy mandà ny didy manery amin'ny fanaovana izany, dia mpikomy araka ny fiombonan-kevitry ny mpino silamo rehetra, ary raha mandao izany tanteraka noho ny tsy firaharahina sy ny hakamoana izy dia voasokajy ho tsy mpino. Voalaza fa niombon-kevitra tamin'izany ireo mpanaradia an'i Mpaminany (S.A.W). Fa raha tsy manao kosa indraindray ary indraindra manao, dia iharan'izany fandrahonana mafy izany izy.
Hadeeth benefits
Ny maha zava-dehibe ny soalat sy ny fanatanterahana azy tsy akijanoana, satria io no maha samihafa ny tsy finoana sy ny finoana.
Fampitandremana mafy momba ny tsy fanatanterahana soalat sy ny fanaovana tsirambina azy.
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others