- Anisan’ny fahendrena fonosin'ny fananganan-tànana amin’ny vavaka dia ravaky ny vavakabsy fanomezam-boninahitra an’I Allah Tsitoha.
- Voaporofo fa nanandratra ny tànany tamin’ny fotoana fahefatra izy, araka ny fitantaran’i Abo Hamid al-Sa’idi sy ny voalazan’i Abo Daod sy ny hafa, izay rehefa mitsangana avy amin’ny tasahod voalohany ao amin’ny vavaka misy fizarana na rakkat telo sy efatra.¹
- Voaporofo ihany koa fa nanandratra ny tànany hatreo amin’ny sofiny fa tsy nikasika izy, araka ny fitantaran’i Malik bin Al-Howayrith ao amin’ny boky Bokhari sy Moslim manao hoe : “Ny irak’I Allah dia nanandratra ny tànany mandra-pahatongany eo amin’ny sofiny”.
- Ny fitenenana Samiallaho Liman Hamida dia voatokana ho an'ny imam sy izay mivavaka irery fa ny mpivavaka manaraka ao aoriany dia miteny hoe : Rabbana Walakal-Hamdo.
- Ny fitenenana hoe : “Rabbana Walakal-Hamdo", aorian’ny fiankohofana dia voaporofo fa nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ary misy fomba efatra izany, fa ny tsara indrindra dia ny fanarahan'ny olona iray amin'ireto manaraka ireto ary atao indray mandeha, ary ny hafa mba indray mandeha.