- Fahasoavana azo amin'ny fifikirana amin'ny vavaka Fajr sy Asr; satria amin'ny fajr dia ao anatin'ny tsiron'ny torimaso, ary ny Asr dia ao am-panatanterahana ny raharaham-pivelomana, ka izay mifikitra amin'izy roa dia azo antoka kokoa hifikitra amin'ny vavaka sisa ambiny.
- Nantsoina hoe mangatsiatsiaka ny vavaka fajr sy Asr; satria ny Fajr ahitana atsiakan'ny alina, ary ny Asr ahitana atsiakan'ny atoandro, na dia amin'ny fotoana mafana aza fa io fotoana io mba efa malefaka kokoa ny hafanany raha oharina amin'ny teo alohany, na koa fiantsoana azy tahaka izany dia noho ny fanakambanana fotsiny toy ny fitenenana hoe : ny volana roa izay ilazana ny masoandro sy ny volana.