Tatitra azo avy amin'i Abou Horairah (R.D) Niteny Izy ka nanao hoe : Niteny ilay Iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.W.A) tamin'ny Dadatoany ka nanao...
Niangavy an'ny dadatoany i Mpaminany (S.W.A) teo ampialan'aina mba hiteny an'ilay Teny hoe : Là ilàha illalloahou mba ahafahany hanelanelana Azy amin'...
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, f...
Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa hanana dobo izy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty, ny halavany dia mitovy amin'ny halaviran-dàlana iray volana ary...
Tatitra azo avy amin'i Abou Said Al-Khoudriou (R.D) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fa...
Nohazavain'ny Mpaminany (S.W.A) fa amin'ny Andro farany dia aseho amin'ny endrika ondry lahy, misy loko fotsy sy mainty ny fahafatesana. Hiantso Izy k...
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : " Raha tena matoky an'Allah marin...
Mamporisika atsika i Mpaminany (S.W.A) mba hiantehitra mandrakariva amin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fitadiavana ny zava-tsoa sy fanakanana ireo lo...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotr...
Nanome toromarika momba ny fahalalam-pomba amin'ny fifampiarahabana eo amin'ny samy olombelona ny Mpaminany (S.A.W) nilaza manao hoe : “Assalam Alaiko...

Tatitra azo avy amin'i Abou Horairah (R.D) Niteny Izy ka nanao hoe : Niteny ilay Iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.W.A) tamin'ny Dadatoany ka nanao hoe : " Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany " Hoy Izy namaly hoe : Raha tsy naneso sy nanome tsiny Ahy amin'izany ireo foko sy firazanana Kouraisita - amin'ny fitenenan'izy ireo Ahy hoe : Ny tebiteby ihany no nahatonga Azy hanao izany - dia ny mba ho nampifaly Anao tamin'izany Aho. Teo dia nampidinin'i Tompo Allah ilay andininy Soratra masina hoe : { Innaka Là Tahdy Man Ahbabta Waläki-nnalloaha Yahdiy Man Yasha = Tena marina fa Ianao dia tsy afaka mitarika izay Olona Tianao taritina ry Mouhammadi fa i Tompo Allah irery ihany no mitarika izay tiany } [ Al-qasas :56].

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk ny fofony, ary tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny zingany, ka izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

Tatitra azo avy amin'i Abou Said Al-Khoudriou (R.D) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana dia hiantso ny mpiantso ny amin'ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, dia hoy Izy hoe : fantatrareo va ity ? Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, Satria ny rehetra dia efa nahita an'izany. Avy eo dia misy miantso hoe : Ry vahoakan'ny Afobe, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, ary niteny hoe : fantatrareo va ity ?, Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, ary ny rehetra dia efa nahita an'izany avokoa. Avy eo dia hovonoina Izy dia holazaina ny hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay Ianareo ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy misy intsony ny fahafatesana. Avy eo Izy namaky ny andininy Soratra masina hoe : { Ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoka rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia varina } [Mariam 39], izy ireo dia varina teto an-tany { ary izy ireo dia tsy Mino } [Mariam 39]".

Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : " Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva ".

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.

Tatitra azo avy tamin'i Abou zarri (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.

Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny nyMpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo, ka nahatonga azy ireo nandatsa-drà ary nampa-ara-dàlana ny zava-boarara".

Tatitra azo avy tamin'i Abou moussa (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"

Tatitra azo avy tamin'i ibnO A'bbàs (R.A) niteny hoe : Arakan’ny nilazain’ny Mpaminany (s.w.a), momba ny zavatra notantarainy tamin'ny fahefan'ny Tompony, ilay avo Tsitoha, dia Nilaza izy ka nanao hoe : "Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.D), Niteny Izy ka nanao hoe : Niteny lehilahy iray ka nanao hoe : Oh ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Moa va ho sazina tokoa Izahay amin'ireo zava-bitanay tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana ? Namaly i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany ".

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : Ireo vahoaka mpanompo sampy efa namono olona im-betsaka sy nijangajanga be dia be, ka tonga nanatona an'ny mpaminany Mohammad (S.A.W) izy ireo ary niteny hoe : Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay, teo dia nilatsaka ny andininy masina manao hoe : “Ary izay tsy mangataka amin'ny Tompo hafa, miaraka amin'Allah, sy tsy mamono ny aina izay nataon'Allah voarara, raha tsy amin'ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga}. -[Forqan : 68], ary nilatsaka koa ny andininy hafa hoe: “Lazao hoe : Ry mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra tamin'ny tenany, aza very fanantenana amin'ny famindram-pon'Allah ianareo.” [Al-Zomar: 53].

Tatitra azo avy amin'i Hakim Ibn Hizam (R.D), Niteny hoe : Niteny Aho hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ! itanao ireo rehetra izay nataoko tamin'ny fotoan'ny habadoana toy fanomezana na koa famotsorana andevo, fanohizana ny rohim-pihavanana, moa va hazahoako valisoa izany rehetra izxany ? Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " Raha nanaiky ny finoana Islamo Ianao dia ho voaray avokoa ireo tsara izay Nataonao ".