- Ny olona manan-tsaina dia miroso avy hatrany amin'ny fibebahana, ary tsy misy olona mahazo antoka fa hilamina amin'ny sazin'i Allah raha mbola miaina ao anatin'ny tsy rariny.
- Fanomezan'i Allah fotoana fohy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny ary tsy famaizana azy ireo haingana saingy hampitomboiny kosa ilay sazy raha tsy miroso amin'ny fibebahana izy ireo.
- Ny fanaovana ny tsy rariny dia anisan’ny antony nanasazian’Allah ny vahoaka sy ny firenena.
- Raha mandrava tanàna iray i Allah dia mety hisy olo-marina sy tsara ao, Saingy hatsangana amin’ny maty izy ireo amin’ny andro farany noho ny fahamarinana izay nahafaty azy, ary tsy haharatsy azy ireo izany raha toa ka tafiditra tao anatin’ny famaizana.