- Tsara ny miarahaba olona araka ny voalaza ao amin'ilay hadith. Fa raha ny mpandeha an-tongotra no miarahaba ny mpitaingina, sy ny hafa ankoatr'izany araka ny voalaza dia mety, saingy mifanohitra amin'ny tokony ho izy sy ny tsara kokoa.
- Ny fanaparitahana ny fiarahabana araka ny fomba voalaza ao amin'ny hadith dia iray amin'ireo antony mahatonga ny fifankatiavana sy ny fifankahazoana.
- Raha itovizan'izy ireo anefa ilay voalaza amin'ny hadith dia izay manomboka ny fiarahabana no tsara kokoa amin'izy ireo.
- Ny fahafenoan’ny lalàna silamika ity eo amin'ny fanazavana izay rehetra ilain’ny olona.
- Fampianarana ny fahalalam-pomba eo amin’ny fiarahabana sy ny fanomezana ny tsirairay ny zony.