- Ny fomba amam-panaon'ireo Iraka izay tian'Allah sy ankasitrahany, ary didiny ny fanatanterahana azy, dia miantso mankany amin'ny fahalavorariana sy fahadiovana ary hatsarana.
- Ny maha-ara-dalàna ny fahazarana manao ireo zavatra ireo, ary tsy azo hatao tsirambina izany.
- Ireo zavatra ireo dia ahazoana hatsarana ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany, ao anatin’izany ny : fanatsarana ny bika aman’endrika, ny fanadiovana ny vatana, ny fitandremana ny fahadiovana, ny fihavahana amin'ny tsy mpino ary ny fankatoavana ny didin’Allah.
- Misy fanampiny hafa voalaza any amin'ny hadith hafa momba ireo fombafomba voa-janahary ankoatra ireo dimy voalaza, toy ny : famelana ny somotra, fampiasana siwàk, sy ny hafa ankoatr'izany.