“Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : “Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Explanation
Nandrara ny fanompana ireo mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W), indrindra fa ireo nialoha làlana amin'izy ireo, avy amin'ireo mpifindra monina ny tompon-tanàna tao Madina; ary nilaza izy fa raha nanao fandanina volamena mitovy amin’ny tendrombohitr’i Ohod ny olona iray, dia tsy hitovy amin’ny valisoan’iray amin’ireo mpanaradia amin’ny alalan'ny famoahana sakafo rao-tanana iray na ny antsasany amin’izany– ny modd dia feno rano-tanana iray amin'ny lehilahy salasalany -; Izany dia noho ny fananan'izy ireo tombony amin'ny fahadiovam-po sy finiavana marina, sy fiandohan'izy ireo lalana tamin'ny famoahana ary ny ady masina talohan'ny nanokafana ny tanana'ny Makka, satria tena nilaina mafy izany.
Hadeeth benefits
Voarara ny manozona ny mpanara_dia - ho faly amin'izy ireo anie Allah - ary fahotana lehibe izany.
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others