Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Explanation
Mampahafantatra i Mpaminany (S.W,A) fa ny afon'ny eto an-tany dia ampahany kely amin'ny fitopolo ao amin'ny Afobe. Ny afon’ny any ankoatra dia mafana Sivy amby Enimpolo avo heny noho ny hafanan’ny afon’ny eto an-tany, ka isaky ny ampahany dia mitovy amin’ny hafanan’ny eto an-tany. Teo dia nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ny afo eto an-tany efa mahampy amin'ny fanasazina ny Olona ao anatiny, Namaly Izy ka nanao hoe : Ny hafanan'ny Afobe dia mitombo avo heny amin'ny hafanan'ny afo eto an-tany eo amin'ny Sivy ambin'ny Enimpolo eo.
Hadeeth benefits
Fampitandremana momba ny afo mba hanalaviran'ny Olona ireo hetsika mitarika ny fidirana ho amin'izany.
Ny haleben'ny afon'ny Afobe sy ny sazy ao aminy, sy hamafin'ny hafanany.
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others