- Ny finoana fa ny Paradisa sy ny Afobe dia efa misy marina tokoa amin'izao fotoana izao.
- Voadidy ny finoana amin'ny endrika Obligatoara fa tsy maintsy ny mino sy maneky an'ireo zavatra miafina sy ireo rehetra izay avy amin'i Tompo Allah sy ny Irany (S.W.A).
- Ny mahazava-dehibe ny faharetana amin'ireo fahasahiranana satria izany no làlana mitarika mankany amin'ny Paradisa.
- Mahazava-dehibe ny fisitana ireo zava-boarara, Satria izany no làlana mitondra mankany amin'ny Afobe.
- Natao voarakitra ireo zavatra tsy ankasitrahana avokoa ny Paradisa, ary ny Afobe kosa dia amin'ireo zavatra nahitana fahafinaretana, ary izany rehetra izany dia fitsapana sy fesedrana ny amin'ny fiainana eto antany avokoa.
- Làlana mankany amin'ny Paradisa dia sarotra ary mavesatra tokoa, ka mitaky faharetana sy ny fiezahana amin'ny fanekem-pinoana, ary ny làlan'ny Afobe kosa dia feno ireo zavatra matsiro sy ny fahafinaretana rehetra misy eto an-tany.