- Fandrarana ny fihoram-pefy amin'ny raharaha rehetra izay efa voalaza, ary famporisihana ny mba tokony hialana amin'izany amin'ny zavatra rehetra; Indrindra ny amin’ny asa fanompoam-pivavahana sy fanomezam-boninahitra ny Olo-marina
- Mendri-piderana tokoa ny fitadiavana ny fomba rehetra mba ahatongavana amin'ny faha-fenoana eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny hafa ankoatr'izay; ary tsy maintsy atao manaraka ny lalàna ihany izany rehetra izany.
- Tsara ny fanamafisana ny zava-dehibe, satria naverin'ny Mpaminany (saw) in-telo io fehezanteny io.
- Ny fahatsaran'ny Finoana silamo sy ny fahamorany.