- Fahamendrehan'Ali bin Abi Toalib (R.A) sy ny fijorona vavolombelona nataon'ny Mpaminany (S.A.W) azy, amin'ny fitiavan'I Allah sy ny irany azy, ary ny fitiavany an'I Allah sy ny irany.
- fahazotoan'ireo mpanaradia amin'ny hatsarana sy ny fifaninanan'izy ireo amin'izany.
- Ny maha-ara-dalàna ny fahalalam-pomba rehefa miady ary fialana amin'ny fanelingelenana sy ny feo mitabataba izay tsy ilaina akory.
- Anisan'ny porofon'ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W) ny filazany vaovao momba ny fandresena ny Jiosy, sy ny fanasitranany ny mason'i Ali bin Abi Talib noho ny fitahian'I Allah.
- Ny tanjona lehibe indrindra amin'ny ady masina dia ny fidiran'ny olona amin'ny finoana silamo.
- Atao amin'ny ambaratongany ny fiantsoana olona ho amin'ny finoana silamo amin'ny alàlan'ny fanononana ireo Shahada roa, ary avy eo dia asaina manatanteraka ireo adidy amin'ny finoana silamo aorian'izay.
- Ny valisoan’ny antso ho amin’ny finoana Islam sy ny tombotsoa entin’izany ho an’izay nantsoina sy ny niantso, ka ny tarihina nanaraka làlana mahitsy ary ilay mpiantso dia hahazo valisoa lehibe.