- Fanamboarana ny finoana sy ny foto-pinoana amin'izay manimba azy.
- Fandrarana ny fampiasana Rokia misy Shirky, Hirizy ary Ody mahery.
- Ny finoan'ny olona fa hoe iray amin'ireo telo ireto ho antony : dia Shirky kely; Satria nametraka zavatra sy antony ho antony, fa ny finoana hoe mahasoa sy manao ratsy kosa dia Shirky lehibe izany.
- Fampitandremana amin'ny fanaovana ny anton-javatra iray ara Shirky sy izay Voarara.
- Fandrarana ny Rokiat ary voasokajy ho Shirky, afa-tsy izay ara-dalàna.
- Ny Fo dia tokony hifantoka amin’Allah irery ihany tsy misy, avy aminy ny loza sy ny tombontsoa, ary tsy misy mpiara-miasa aminy. Tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy manafoana ny ratsy afa-tsy Allah ilay avo Tsitoha irery ihany.
- Ny Rokiat azo atao dia nahafeno ireto fepetra telo ireto : 1-Heverina ho antony ary tsy manasoa afa-tsy amin'ny alàlan'i Allah. 2-Tokony ho ao amin’ny boky masina Koroany, ny anaran'Allah sy ny toetrany,, ny fitalahoana ara-paminaniana ary ny fitalahoana ara-dalàna. 3-Tsy maintsy amin'ny fiteny mazava ny dikany ary tsy misy ody sarisary sy ody Mpimasy.