- Nisafidiany manokana i Abo Bakri (R.a), ary Izy ihany koa no Mpiara_diany anisany tena tsara indrindra no sady lohalaharana eo anatrehan'i Mpaminany (saw) aorian'ny fahafatesany.
- Ny fanorenana toeram-pivavahana eny amin'ny fasana dia zava-doza nataon'ireo vahoaka teo aloha.
- Fandrarana entitra ny fanaovana ny fasana ho toeram-pivavahana ka andia hanaovana ny Soalat na koa hoe andia hanamboarana Moske, ka izany dia fampitandremana mba tsy tafa-latsaka amin'ny fanompoan-tsampy nohon'izany.
- Fampitandremana fatratra ny fihoaram-pefy amin'ny fitiavana diso tafahoatra loatra an'ireo Olona masina ka mety lasa hifarana amin'ny fanompoan-tsampy izany.
- Mahazava-doza ireo zavatra nampitandreman'ny Mpaminany (saw), Satria nohamarininy mafy izany 5 alina mialohan'ny hafatesany.