- Anisan'ny famantarana ny faminanian’ny Mpaminany (S.A.W) ny filazana ireo zavatra tsy hita maso izay hitranga ary ny fisehoany araka izay nolazany azy.
- Tsy azo atao ny mankasitraka ny ratsy na mandray anjara amin’izany, ary tsy maintsy toherina izany.
- Raha manao zavatra mifanohitra amin'ny lalàna silamika ny mpitondra dia tsy azo atao ny mankatò azy ireo amin'izany.
- Tsy azo atao ny mikomy ny mpitondra silamo; noho ny fanaovana izany hiteraka zava-doza sy rà mandriaka ary tsy filaminana, ka ny fiaretana amin'ny ratsy ataon'ny mpitondra mpanota, dia moramora kokoa noho izany.
- Zava-dehibe ny vavaka Swalat, satria io no mampiavaka ny mpikomy sy ny silamo.