- Ny maha zava-dehibe ny fifikirana ny Sonnat sy ny fanarahana azy.
- Ny firaharahana momba ny fananarana sy ny fanalefahana ny fo.
- Ny baiko mandidy ny fanarahana ireo mpitondra marina sy mahitsy, efatra taoriany dia i Abo Bakr, Omar, Othman ary Ali, ho faly amin'izy ireo anie I Allah.
- Fandrarana amin'ny famoronana eo amin'ny lafiny finoana, ary ny forona rehetra dia fahaverezana.
- Ny fihainoana sy ny fankatoavana an'ireo mpitondra raharahan'ny mpino silamo raha tsy misy fahotana.
- Ny maha zava-dehibe ny fatahorana an'I Allah Ilay Tsitoha amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra.
- Tena zava-misy amin’ity vahoaka ity ny tsy fitovian-kevitra, ary rehefa mitranga izany dia ilaina ny miverina amin’ny Sonan’ny irak’Allah sy ireo Kalifa mpanaraka ny fahamarinana.