- Voadidy isika mitia ny irak'Allah (S.A.W), ary natao ho laharam-pahamehana ny fitiavana manoloana ny zavaboary rehetra.
- Ny mariky ny fitiavana feno sy tonga lafatra dia : ny fanohanana ny Sunnah fomba amam-panaon'ny Mpaminany, ary ny fanaovana sorona ny aina sy ny harena ho amin'izany.
- Ny fitiavana ny irak'Andriamanitra dia mitaky ny fankatoavana azy amin'izay didy nomeny, ny finoana izay lazainy, ny fialana amin'ny zavatra norarany sy noteneniny, ny fanarahana azy ary ny fialana amin'ny hevi-diso sy ny forona.
- Ny zon'ny Mpaminany (S.A.W) dia lehibe sy azo antoka kokoa noho ny an'ny olona rehetra. Satria izany no antony nitarika antsika amin'ny fahitsiana ary niala amin'ny fahaverezana, namonjy antsika tamin'ny Afobe, ary hahazoantsika ny Paradisa.