- Fandrarana amin'ny fakana fasan’ny mpaminany sy ny olo-mendrika tsy hatao moske ivavahana eo aminy. Satria izany dia mitondra ho any amin'ny fanompoan-tsampy.
- Ny fahalianan'ilay Irak'Allah sy ny fiahiany mafy amin'ny fanokanana an'Allah, ary ny tahotrany amin'ny fanomezam-boninahitra ny fasana; Satria mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy izany.
- Azo atao ny manozona ny Jiosy sy ny Kristiana sy ny rehetra izay manao toy ny nataony tamin’ny fanorenana moske eo ambonin'ny fasana.
- Ny fanorenana eo ambonin'ny fasana dia iray amin'ireo fomban'ny Jiosy sy ny Kristiana, ary ny hadith dia mandrara ny maka tahaka azy ireo.
- Tsy azo atao ny mivavaka eo amin'ny fasana, na dia tsy nisy moske aza eo aminy.