- Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.A.W) dia tafiditra ho fankatoavana an'Allah, ary ny tsy fankatoavana azy dia tafiditra ho tsy fankatoavana an'Allah.
- Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.W.A) dia mampiditra ao amin'ny Paradisa, ary ny tsy fankatoavana azy dia mampiditra amin'ny Afobe.
- Vaovao mahafaly ho an’ny Olona mpankatò amin’ity vahoaka ity, ary hiditra ao amin’ny Paradisa avokoa izy rehetra afa-tsy izay tsy mankatò an’Allah sy ny Irakan’Allah.
- Ny fangoraham-pony Mpaminany (S.W.A) amin'ny vahoakany sy ny fahavonosany hitarika azy ireo.