- Tokony hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra sy izay ilaina isika, ary hiala avy hatrany amin'izay tsy ilaina, ary tsy ho variana amin’ny fanontaniana momba izay tsy nitranga.
- Voarara ny mametraka fanontaniana izay mety hanasarotra ny toe-draharaha sy hanokatra varavarana ho any amin’ny fisalasalana izay hiteraka tsy fitovian-kevitra betsaka.
- Ny baiko mba hialana amin'ny voarara rehetra; Satria tsy misy fahasarotana ny fialana amin'izany, ary izany no nahatonga ny fandrarana amin'ny endrika ankapobeny.
- Baiko amin'ny hanatanterahana izay nandidiana arak'izay vita; Satria mety hisy fahasarotana ny amin'izany na koa tsy fahavitana azy; Noho izany dia natao araka izay vita.
- Fandrarana ny amin'ny fametrahana ny fanontaniana be loatra, efa nozarain'ireo manam-pahaizana ho roa ny fanontaniana : Ny iray amin'izy ireo: Izay fanontaniana rehetra napetraka noho ny fianarana ny zavatra ilaina momba ny finoana, takina ny hanaovana izany, ary tahaka izany ny fanontaniana nataon'ireo Mpanaradia (sahaba). Ary ny faharoa : Izay miendrika di-doha sy hanihany, ary izany ilay voarara.
- Fampitandremana an’ity vahoaka ity amin’ny tsy fankatoavana ny Mpaminaniny, toy ny nitranga tamin’ireo vahoaka teo alohany.
- Ny fanontaniana be loatra ka tsy ilaina sy ny fifandirana amin'ireo Mpaminany dia miteraka fahapotehana, indrindra amin'ny zavatra tsy takatra, toy ny: resaka momba ny zava-miafina tsy hita maso izay tsy misy mahafantatra azy afa-tsy Allah irery ihany, sy ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany.
- Fandrarana ny amin'ny fametrahana fanontaniana amin'ny raharaha sarotra, niteny Al-Aoza'i : Raha te hanaisotra ny fahasoavan'ny mpanompony amin'ny fahalalàna izy, dia alefany amin'ny lelany ny fifangaroana dia ho hitanao izy fa olona faran'izay kely fahalalana, ary hoy i Ibn Wahab : Izaho nandre an'i Malik niteny manao hoe : Ny fireharehana amin'ny fahalalana dia manala ny fahazavan'ny fahalalana ao am-pon'ny olona.