- Ny tsy fitovian'ny fahotana, toy ny tsy fitovizan'ny asa soa eo amin'ny lanjany.
- Ny fahotana lehibe indrindra : ny fampirafesana an’I Allah ilay Tsitoha amin'ny hafa, avy eo dia famonoana ny zaza noho ny tahotra sao hiara-misakafo aminao izy, ary ny mijangajanga amin’ny vadin’ny mpiray vodirindrina.
- Eo am-pelatanan’Allah ny anjaram-pivelomana, ary Izy, no tompon'andraikitra manome ny anjaran’ireo zavaboary.
- Ny maha lehibe ny zon’ny mpifanolo-bodirindrina, ary fanaovan-dratsy aminy dia fahotana lehibe kokoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy amin'ny hafa.
- Ilay Mpamorona irery ihany no mendrika ho tompoina, tsy misy mpiombona Aminy.