- Fampitandremana mba tsy hihoatra ny fetra ara-dalàna amin'ny fanomezam-boninahitra sy ny fiderana; satria izany dia mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
- Ny zavatra nampitandreman'ny Mpaminany (SAW) dia nitranga tamin'ity vahoaka ity, ka nisy antokon'olona nihaom-pefy tamin'ny fitiavana ny irak'Allah, ary ny antokon'olona iray nihoam-pefy teo amin'ny ankohonany, ary ny vondrona sasany teo amin'ny olona masina, ka dia rendrika tamin’ny fanompoan-tsampy izy ireo.
- Nampahafantatra momba ny tenany i Mpaminany (saw) fa mpanompo an'I Allah izy, mba hafantarantsika fa tena mpanompo fatratra an'I Allah izy ka tsy mendrika azy ny hanomezana toetra mitovitovy amin'I Allah.
- Nilaza ny tenany ho irak'I Allah i Mpaminany (saw) mba hampisehoana fa iraka avy amin’IAllah izy, ka tsy maintsy inoana sy arahina.