- Fanomezamboninahitra ny Sounnat (fomba amam-panaon'ny Mpaminany) dia tahaka ny fanomezamboninahitra ny Boky masina Koroany ary tena manan-kery izany.
- Fanekena sy fan-katoavana an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah dia fan-katoavana an'i Tompo Allah ary ny fikomiana Azy dia fikomina an'i Tompo Allah ilay Avo tsitoha.
- Porofo maha-azo antoka tanteraka ny Sounnat sy ny valin-kafatra ho an'izay mandà sy mitsipaka na mankahala an'izany.
- Na iza na iza miala amin'ny Sounnat ary milaza fa mahampy ny Boky masina Koroany dia efa mandà izy rehetra, mandainga amin'ny fitakiany hanaraka ny Boky masina Koroany.
- Isan'ireo porofo amin'ny faminanian'ny Mpaminany (S.W.A) ny fampahafantarany ireo zavatra hiseho any aoriana any, ary izany dia tena hitranga tokoa tahaka ny nambarany.