- Fandrarana ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana, na ny fivavahana eo aminy, na ny fandevenana ny maty ao amin'ny moske; mba tsy hahatongavana amin'ny fanompoan-tsampy.
- Ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana sy ny fametrahana sary ao anatiny dia asan'ny Jiosy sy ny Kristianina, ary izay manao izany dia mitovy amin'izy ireo.
- Fandrarana ny fanaovana sary ireo zava-mananaina.
- Na iza na iza manorina moske eo ambonin’ny fasana sy mametraka sary ao anatiny, dia tafiditra ho isan’ny zavaboarin’I Allah ratsy indrindra.
- Ny lalàna silamika dia miaro tanteraka ny làlana mankany amin'ny fanokanana an'I Allah, amin'ny fanakanana ny fomba rehetra mety hitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
- Mandrara ny fihoaram-pefy amin'ireo olona mendrika; Satria izany no antony mety hampienjera any amin'ny fanompoan-tsampy.