- Fandrarana ny fitenenana eo am-pihainoana ny toriteny, eny fa na dia amin’ny fanakanana amin'ny ratsy na ny famaliana ny fiarahabana na ny famalina ny mpievona.
- Tsongaina amin'izany ireo izay miresaka amin'ny imam na izay iresahan'ny imam.
- Azo atao ny miresaka eo anelanelan'ny toriteny roa raha ilaina.
- Raha voatonona ny anaran'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa manao toriteny ny imam, dia mandefa vavaka sy tso-drano ho azy am-pahanginana ianao, ary toy izany koa ny fitenenana AMINE rehefa mandeha ny Doan.