Explanation
Nivavaka i Abo Mosa al-Ash'ari, mpiara-dia amin'ny mpaminany (S.A.W), ary rehefa teo amin'ny fipetrahana tashahhod izy, dia nisy lehilahy iray tamin'ireo mpanao soalat tao aoriany niteny hoe : Nampitahana amin'ny soalat ny fahatsara sy ny Zakat ao anatin'ny Kor'any. Rehefa avy nanao soalat i Abo Mosa dia nitodika tany amin'ireo mpivavaka tao aoriany ka nanontany hoe : Iza aminareo niteny ilay teny hoe: nampitahana amin'ny soalat ny fahatsarana sy ny zakat ao amin'ny Kor'any?! Ka nangina tsy namaly avokoa izy ireo, dia naveriny tamin’izy ireo indray ilay fanontaniana, ary rehefa tsy nisy na ny iray namaly azy, dia niteny Abo Mosa (R.A) hoe : Mety ianao ry Hittan no niteny an'izany noho ny fahasahiany azy sy ny fifandraisany aminy amin'ny maha havany akaiky azy, izay tsy hampaninona azy ny fiampangany azy, ary ihany koa mba hanosika ny tena nanao izany mba hibaboka, dia nolavin’i Hittan izany, ka hoy izy : Natahotra aho sao hitrerona ahy ianao, satria nihevitra fa izaho no niteny an'izany. Dia teo no nilaza ny lehilahy iray tamin'ireo vahoaka hoe : Izaho no niteny an'izany, ary tsy ninia afa-tsy ny tsara ihany aho, ka hoy Abo Mosa taminy nampianatra azy: Tsy hainareo ve ny zavatra teneninareo ao anatin'ny vavaka ataonao?! Izay nanehoany ny tsy fankasitrahana avy aminy, avy eo i Abo Mosa dia nilaza fa ny Mpaminany (S.A.W) indray mandeha dia niresaka tamin'izy ireo, ary nanazava tamin'izy ireo ny lalànan'ny Isalam, ary nampianatra azy ireo ny fivavahana, ka niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe :
“Rehefa hivavaka ianareo dia antsangano sy ahitsio ny filaharanareo, ary aoka hitarika ny olona ny iray aminareo, ka rehefa miteny “Allaho Akbar” voalohany ny Imam dia mitenena Allah Akbaro toy izay nolazainy, ary rehefa mamaky sorate Al-Fatiha ka tonga eo amin'ny andininy : “Ghairil Maghdhòbi A'laihim Wala Dhàllin” [Al-Fatihah: 7] Ary lazao hoe : Àmine, ka raha manao izany ianareo dia hamaly anareo Allah, ka rehefa miteny hoe “Allaho Akbar” izy ka miondrika dia mitenena hoe “Allaho Akbar” ary mihondreha ihany koa, fa miondrika sy mitraka alohanareo ny imam ka aza mialoha làlana azy ianareo. Satria ny fotoana nialohavan'ny imam anao tamin'ny fihondrehana dia tsy maintsy hahatonga fahatarana fotoana fohy ho anao eo amin'ny fihondrehana rehefa mitraka izy, ka ireo fotoana fohy ireo dia samy mitovy, ka lasa mitovy arak'izany ny fe-petoan'ny niondrehanareo sy ny azy. Ary rehefa miteny ny Imam hoe : "Samiallaho Liman hamidah", dia lazao hoe : Allahomma Rabbana Walakal-hamdo, dia raha miteny an'izany ireo mpanao soalat dia mihaino azy ireo Allah. Satria Allah niteny tamin'ny lelan'ny Mpaminaniny (S.A.W) hoe : Allah dia mihaino izay midera Azy. Ary rehefa miteny izy hoe "Allaho Akbar" sy miankohoka dia tsy maintsy miankohoka ihany koa ny mpanao soalat, fa miankohoka sy mitraka alohan'izy iero ny Imam. ka ireo fotoana fohy ireo dia samy mitovy, ka lasa mitovy arak'izany ny fe-petoan'ny niankohofan'izy ireo sy ny imam, ary raha mipetraka mamarana ny mpanao soalat iray dia aoka ho toy izao ny teny voalohany lazainy : "Attahiyato waswalawato watwaybato Lillahi; fa ny fanjakana sy ny faharetena tsy misy fahatamperany ary ny fahalehibiazana dia Allah irery ihany no mendrika izany, tahaka izany koa ny soalat dimy isan'andro dia an'Allah "Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakàtoho. Assalamo a'laina wa a'là I'badillahi swalihìna". Mivavaha amin’Allah mba ho voaro amin’ny kilema rehetra, ny fahoriana, ny tsy fahampiana ary ny fahasimbana. Atokatsika manokana ny fiarahabana an'i Mpaminanintsika Mohammad (S.A.W) sy ny fiarahabana ny tenantsika, avy eo miarahaba ireo mpanompo mendrikan' Allah izay manatanteraka ny adidin'izy ireo momba ny zon'Allah Tsitoha sy ny zon'ireo mpanompony aminy, Avy eo dia mijoro ho vavolombelona isika fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary mijoro ho vavolombelona isika fa mpanompony sy Iraka avy Aminy i Mohammad.