- Ny maha zava-dehibe ny Sorate Al-Fàtihat, ka efa nantsoan'Allah Tsitoha izy io hoe :(soalat).
- Fanazavana ny amin’ny fiahian’Allah Tsitoha ny mpanompony, rehefa nidera azy ka noho ny fiderana sy ny fankasitrahana ary ny fanamboniana azy, dia nampanantena fa hanome izay nangatahina aminy Izy.
- Tafiditra ao anatin’io Sorate io ny fiderana an’Allah, ny filazana ny andro fitsanganana amin’ny maty, ny fitalahoana amin’Allah, ny fanompoam-pivavahana amim-pahatsorana Aminy, ny fangatahana fitarihana amin’ny làlana mahitsy, ary ny fampitandremana amin’ny làlan’ny diso.
- Ny fahatsapan'ny mpivavaka an'io hadith io - raha mamaky ny Fatihat izy- dia mampitombo ny fanetren-tenany eo amin'ny soalat.