- Mamporisika ny famaliana izay lazain'ny mpiantso amin’ny azan.
- Fahasoavana azo amin'ny vavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa avy namaly ny mpiantso amin’ny azan.
- Famporisihana mba hangataka ny "wasìlat" ho an'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa avy nivavaka ho azy.
- Fanazavana ny dikan'ny teny hoe "wasìlat", sy ny fahamboniany, ary dia mpanompo iray ihany no mendrika izany.
- Fanazavana ny amin'ny fahamendrehan'ny Mpaminany (S.A.W) satria dia natokana ho azy irery ihany izany toerana izany.
- Izay mangataka amin'Allah ilay Tsitoha ny "wasìlat" ho an'ny Mpaminany (S.A.W) dia hahazo ny fanelanelanany.
- Fanambarana ny fanetren-tenan'ny Mpaminany (S.A.W) satria nangataka ny vahoakany izy mba hivavaka ho azy amin’izany toerana izany, na dia efa fantatra fa ho azy aza izany.
- Be ny fahasoavana sy ny famindram-pon’Allah, ka mitombo folo avo heny ny asa soa iray.