- Ny roran'ny alika dia loto tena goavana.
- Ny filelafan'ny alika ny vilia dia mandoto azy, ary koa mandoto ny rano ao aminy.
- Ny fanadiovana amin'ny tany sy ny famerimberenana azy im-pito dia natokana ho fanadiovana izay voalelaky ny alika fa tsy namaniany na nangereny na koa izay mety ho loto hafa aterany.
- Fomba fanasana amin'ny tany : Asina rano ao anaty koveta ary asina tany, avy eo dia sasana amin'io rano mifangaro tany io ny vilia.
- Raha ny endrika asehon'ny Hadith dia miresaka momba ny alika amin'ny ankapobeny, eny fa na dia ny alika izay navelan'ny lalàna silamika ho tehirizina aza , toy ny alika fihazana, ny mpiambina, ary ny mpiara-dia eny an-dalana.
- Tsy mahasolo ny tany ny savony sy ireo ravin-kazo fanadiovana; Satria ny Mpaminany (S.A.W) mihitsy no nanoro ny momba ny tany.