- Ny fifosana fandaisan-dresaka sy ny tsy fitandremana amin'ny pipy dia anisan'ny fahotana lehibe sy mahatonga ny fijaliana ao am-pasana.
- Allah ilay Tsitoha dia naneho ny sasantsasany amin'ireo zava-miafina - toy ny fanasaziana ao am-pasana - ho fanehoana ny famantarana momba ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W).
- Ity fanapahana ny ravin-kazo ho roa ity sy ny fametrahana izany eo amin'ny fasana dia voatokana ho an'ny Mpaminany (S.A.W) ny fanaovana azy; Satria nampahafantarin’Allah azy ny toe-javatra nahazo ireo olona roa tao am-pasana, ka tsy misy olona hafa azo ampitahaina aminy satria tsy misy mahalala ny toe-javatra mahazo ny olona any am-pasana.