Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat
Tatitra azo avy tamin'i Àmrou bin Àmir, Tatitra azo avy tamin'i Annas bin Màlik niteny manao hoe : Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat Hoy aho hoe : Ahoana no nataonareo? Hoy izy : Ampy ho an'ny iray amintsika ny ozò anakiray raha mbola tsy namoaka loto.
Notantarain’i Bokhari
Explanation
Ny Mpaminany (S.A.W) dia manao ozò tsy tapaka isaky ny hanao soalat tsy maintsy atao na dia mbola tsy tapaka aza ny ozò nataony; Izany dia mba hahazoana valisoa sy hatsarana.
Azony atao ny manao soalat maromaro amin'ny ozò iray raha ohatra ka tsy mbola tapaka.
Hadeeth benefits
Ny mahazatra indrindra ataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny ozò isaky ny manao soalat, ho fitadiavana ny fahafenoana.
Amporisihina ny manao ozò isaky ny soalat.
Azo atao ny manao soalat mihoatra ny iray miaraka amin'ny ozò iray.
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others