- Tsy maintsy sasana ny tongotra roa rehefa manao ozò; Satria raha azo atao ny misafo dia tsy ho voarahona amin'ny afo izay tsy miraharaha manasa ny voditongony.
- Tsy maintsy atao ny manasa manonontolo ny faritra tsy maintsy sasana, ary izay namela ampahany kely amin'ny faritra tsy maintsy diovina amin'ny ozò, noho ny fanahiniana na tsy firaharahana dia tsy manan-kery ny soalat ataony.
- Ny maha zava-dehibe ny fampianarana ny olona tsy mahalala sy ny fanorona lalana azy.
- Ny manampahaizana dia tokony tsy mankasitraka izay hitany fa manao tsinontsinona ny adidy tsy maintsy atao sy ny sonnat amin'ny fomba mety.
- Niteny i Mohammad Ishaq Ad-Dahlawi manao hoe : Misy karazany telo ny fanasana : ny tsy maintsy atao, dia ny fanasana ny toerana indray mandeha, ny sonnat dia manasa in-telo, ary mendrika kokoa dia manao azy mihoatra ary atao in-telo.