- Fanetre-tenan'ny Mpaminany (S.W.A) amin'ny fitondrany an'i Moa'zh (R.A) tao aoriany amin'ny biby fitainginy.
- Fomba fampianaran'ny Mpaminany (S.W.A), amin'ny famerimberenany ny fiantsona an'i Moa'zh (R.A) mba hanamafy ny fihainoany izay zavatra tiany ho lazaina.
- Inisan'ireo fepetra amin'ny fijorona vavolom-belona dia : Tsy misy Tompo afa-tsy i Allah ary i Mohammad (S.W.A) no Irak'Allah, Dia tenenina am-pahamarinana sy azo antoka tsy misy lainga na fisalasalana.
- Tsy hiaina mandrakizay ao amin’ny afon’ny helo ny olona mpanokana an'i Allah, na dia miditra ao aza izy ireo noho ny fahotany; dia esorina ao rehefa avy nodiovina.
- Fahasoavan'ny fijoroana vavolom-belona roa ho an'izay nilaza izany am-pahamarinana tao am-po.
- Azo atao indraindray ny tsy miresaka Hadith raha hita fa mety hampiteraka voka-dratsy.