- Vonahitra sy fahasoavan'ny fanokanana an'i Tompo Allah sy izay maty tao anatin'ny finoana an'i Tompo Allah ka tsy nanakambana Azy amin'ny hafa dia mahazo alalana miditra amin'ny Paradisa.
- Maha-zav-adoza ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny hafa, ary izay maty amin'izany fanakambanana Azy amin'ny zavatra hafa izany dia miditra ao amin'ny Afobe.
- Ireo mpanota sy mpanao fahadisoana nefa mpanokana an'i Tompo Allah dia eo ambany fahefan'ny Tompo Allah hatrany, raha sitrany dia mety saziny ary raha sitrany ihany koa dia mety avelany izy ireny, avy eo ny fiafaran'izy ireo dia miafara amin'ny fidirana amin'ny Paradisa.