- Ny fianianana lainga dia tsy misy fanavotana azy noho ny loza mitatao sy ny heloka bevava aminy, fa amin'ny fibebahana ihany.
- Ny filazana manokana momba ireo fahotana lehibe efatra ireo ao amin'ny hadith dia noho ny halebean'ny fahotany, fa tsy hoe izy ireo ihany no fahotana lehibe.
- Mizara ho lehibe sy kely ireo fahotana, ny fahotana lehibe dia izao : Ny ota rehetra izay misy sazy eto an-tany, toy ny famaizana sy ny ozona, na ny fandrahonana amin'ny fanasazina any ankoatra, toy ny fandrahonana hiditra ao amin’ny Afobe, ary ny fahotana lehibe dia ambaratonga, ny sasany dia mafy kokoa noho ny sasany eo amin'ny fandrarana ny fanaovana azy , ary ny fahotana madinika kosa dia ny ankoatr'ireo fahotana lehibe.