- Ny fahotana lehibe indrindra dia ny fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa; Satria nataony hisahana ny laharana voalohany izany fahotana izany no sady lehibe indrindra, ary manamafy izany ny tenin’I Allah Ilay Tsitoha manao hoe : “Hamafisina, fa Allah dia tsy mamela heloka izay mampitambatra Azy amin'ny hafa, ary mamela heloka kosa Izy ankoatra izany raha sitrany.}”
- Ny halehiben’ny zon’ny Ray aman-dreny, satria dia nampitahaina amin’ny zon’I Allah ny zony.
- Mizara ho roa ny fahotana, dia ny fahotana lehibe sy kely. Ny fahotana lehibe dia : Ny ota rehetra izay misy sazy eto an-tany, toy ny famaizana sy ny ozona, na famaizana any ankoatra, toy ny fandrahonana hiditra ao amin’ny Afobe. Ary ny fahotana lehibe dia ambaratonga, ny sasany dia mafy kokoa noho ny sasany eo amin'ny fandrarana azy, ary ny fahotana madinika kosa dia ny rehetra ankoatr'ireo fahotana lehibe.