/ “Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”

“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah Bin Mas’odi (R.A) : Niteny ny Irak'allah (S.A.W) manao hoe : “Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.
Notantarain’i Bokhari sy Moslim

Explanation

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra voalohany hotsaraina eo amin'ny samy olombelona amin'ny tsy rariny nifanaovan'izy ireo amin'ny andro farany dia ny rà, toy ny famonoana sy ny fandratrana.

Hadeeth benefits

  1. Zava-dehibe ny resaka fandatsahan-drà, satria ny fiatombohan-javatra dia miainga amin'ny lehibe indrindra.
  2. Mitombo ny fahotana araka ny halehiben’ny fahasimbana aterany, ary ny fandatsahana ain’olona tsy manan-tsiny no anisan’ny fanimbana lehibe indrindra, ary tsy misy lehibe noho izy afa-tsy ny tsy finoana sy ny fanompoan-tsampy.