- Tsy maninona ny manana ahiahy amin'ny olona efa manabaribary ny toe-dratsiny, ary ny mpino dia tokony ho kinga sy maranin-tsaina fa tsy ho voafitak’ireo ratsy fanahy sy ny ratsy fitondran-tena.
- Ny tiana ho lazaina dia fampitandremana amin’ny fiampangana miraikitra ao anatin’ny fo sy ny fiziriziriana amin’izany, fa izay miselana ao am-po kosa tsy miraiki-tapisaka, tsy ho terena aminy ny hitandrina izany.
- Fandrarana ireo antony mety mahatonga fisaraham-bazana sy fizarazarana eo amin'ny samy mpiara-belon'ny mpino silamo, toy ny fitsikilovana sy ny fialonana ary ny hafa tahaka izany.
- Ny didy mba hifampitondran'ny samy mpino toy ny mpirahalahy eo amin'ny torohevitra sy ny fitiavana.