- Mamporisika amin'ny fakàna tahaka ami'ny Mpaminany (S.W.A) amin'ny fampiharany ireo toetra rehetra ao amin'ny Boky masina Koroany.
- Fidokadokana ireo toetran'ny Mpaminany (S.W.A) ary izany tokoa dia niainga avy amin'ny faminaniana nisy teo aminy.
- Ny boky masina Koroany dia loharanon'ny hatsaran-toetra rehetra.
- Ny fitondran-tena ao amin'ny finoana silamo dia ahitana ny fivavahana manontolo amin'ny fanarahana ny baiko sy ny fialana amin'ny fandrarana.