- Nilaza i Nawawi manao hoe : Ity fitsipika ity dia mitohy hatrany ao amin'ny lalàna, izany dia izay rehetra misy lanjany sy voninahiny, toy ny fanaovana akanjo, pataloha, kapa, miditra ao amin'ny moske, ny fiborosina nify, ny manao vanja, ny manapaka ny hoho, manapaka volom_bava, mibango volo, manongotra ny volokelika, manasola ny loha, mamarana ny soalat, ary manasa ny faritra diovina amin'ny ratsam-batana, mivoaka ny trano fidiovana, misakafo sy misotro, mifandray tànana, mikasika ny Vato mainty, sy ny zavatra hafa izay misy dikany mitovy aminy, fa ny mifanohitra amin'izany kosa, toy ny hoe miditra ao amin’ny trano fidiovana, miala ao amin’ny moske, mipipi, manadio tena, manala akanjo, pataloha, kapa, sy ny sisa, dia tsaratsara ny manomboka azy amin'ny havia, ary izany rehetra izany dia natao mba hanomezam-boninahitra ny havanana sy ny lanjany.
- “Mahafinaritra azy ny manao zavatra amin'ny havanana” tafiditra ao avokoa ny : fanombohana manao zavatra amin'ny tànana havanana, ny tongotra havanana, ny ilany havanana ary ny fanomezana zavatra amin'ny havanana.
- Nilaza i Nawawi : Fantaro fa misy ampahany amin'ny faritra diovina rehefa manao Ozo dia tsy tsara atao ny manomboka amin'ny havana, dia ny sofina roa, ny felatànana roa, ary ny takolaka roa, fa diovina miaraka indray mandeha izy roa, fa raha tsy vita ny manao izany dia atomboka amin'ny havanana, toy ny amin’ny olona tapaka sy ny hafa ankoatr'izany.