- Fandrarana ny fanomezana famaliana mihoatra ny mitovy aminy.
- Tompo Allah dia tsy nandidy ny mpanompony hanao izay mety hanimba azy ireo.
- Fandrarana ny fanimbana sy ny fandratrana amin'ny teny, na amin'ny asa, na amin'ny fandaozana.
- Ny valisoa dia mitovy tantana amin'ny asa izay natao, ka izay manisy ratsy dia i Allah no hanisy ratsy azy ihany koa, ary izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy.
- Iray amin'ireo fitsipiky ny lalàna Sharia ny hoe : “Esorina ny loza” sy izay rehetra nahitana vokadratsy satria ny lalàna Sharia amin'ny finoana Islam dia tsy mankasitraka ny fisian'ny loza sy ny zava-dratsy, fa mandà mandrakariva ny fampidiran-doza.