- Fiezahan'ireo mpanaradia ny hahafantatra ireo toetra mahasoa eto an-tany sy ny any ankoatra.
- Ny fiarahabana sy ny fampisakafoanana dia anisan'ny asa tsara indrindra amin'ny finoana silamo ; Noho ny hatsarany sy ny filan’ny olona azy amin’ny fotoana rehetra.
- Mitambatra amin'io karazany roa io ny fanasoavana amin'ny teny sy fihetsika, ary izany no fanasoavana feno indrindra.
- Io karazany iray io dia mifandraika eo amin'ny fifandraisan'ny samy mpino silamo , ary misy karazany hafa ifandraisan'ny mpanompo amin'ny Tompony.
- Ny fanombohana ny fiarahabana dia natokana ho amin'ny samy silamo, ka tsy mety ny miarahaba aloha ny tsy mpino.