- Adidy amin’ny olona ny mitia ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an’ny tenany. Satria manafoana ny finoana amin'ny olona iray ny tsy fitiavany ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany dia midika fa voadidy izany.
- Ny firahalahiana noho ny Allah dia ambony noho ny firahalahiana amin'ny firazanana, noho izany dia ambony kokoa ny didy amin'ny zony..
- Fandrarana ny teny sy ny fihetsika rehetra izay mifanohitra amin'io fitiavana io, toy ny fitaka, fifosana, fialonana, ary ny herisetra amin'ny mpino silamo amin'ny fananany na ny voninahiny.
- Fampiasana ny teny sasany mandrisika hanao zavatra. Ny fitenenany hoe "amin'ny rahalahiny".
- Nilaza i Kirmani, Allah hamindra fo aminy : Anisan'ny finoana koa ny fankahalana ho an'ny rahalahiny ny ratsy izay halany ho an'ny tenany, ary tsy nanonona izany izy. Satria ny fitiavana zavatra iray dia tsy maintsy mankahala ny mifanohitra amin'izany, noho izany dia ampy ny tsy filazana azy.