- Tsy mitovy ny finoan'ny olona.
- Tsara ny matanjaka amin'ny asa; Satria betsaka ny tombony azo aminy izay tsy azo amin'ny fahalemena.
- Tokony hibanjina izay mahasoa azy ny olona iray, ary hiala amin’izay tsy mahasoa azy.
- Ny mpino dia tsy maintsy mangataka ny fanampian’I Allah amin’ny raharahany rehetra, fa tsy miantehitra amin’ny tenany.
- Manaporofo ny fisian'ny lahatra sy ny anjara, fa izany akory tsy manakana ny fampiasana fomba rehetra sy ny fiezahana hitady ny tsara.
- Voarara ny miteny hoe “raha” noho ny fahatezerana tamin'ny fahatongan'ny loza, ary voarara ny manohitra ny didy sy ny anjara nataon’I Allah Tsitoha.