- Amin’ny alalan’ny finoana ihany no ahafahana miditra ao amin’ny Paradisa.
- Anisan'ny fahafenoan'ny finoana ny fitiavan'ny mpino zavatra ho an'ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany.
- Tsara ny fanaparitahana fifampiarahabana sy fanaovana izany ho amin'ireo mpino; Satria mampiely fitiavana sy filaminana eo amin'ny olona izany.
- Ny mpino silamo ihany no tolorana firahabana Salam; noho ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Eo aminareo".
- Ny fanaparitahana fiarahabana "Salam" dia manala ny fifandrafesana sy fifanalavirana ary ny fifankahalana.
- Ny maha zava-dehibe ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpino silamo ary anisan’ny fahafenoan’ny finoana izany.
- Voalaza amin’ny hadith hafa fa ny endrika feno amin’ny fiarahabana dia ny hoe : “Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh" izay midika hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fitahian’Allah”, ary ampy ny fitenenana hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminareo anie ny fiadanana”.