- Ny fahafenoan'ny finoana dia tsy ho tanteraka eo amin'ny olona iray raha tsy amin'ny tsy fahavoazana ratsy hafa, na ara-materialy izany na ara-moraly.
- Voatonona manokana ny lela sy ny tànana eto; noho ny fahadisoany sy ny fahasimbany maro aterany, satria ny ankamaroan'ny faharatsiana dia mipoitra avy amin'izy roa.
- Famporosina ny olona hiala amin’ny fahotana sy hifikitra amin’izay nandidian’Allah Tsitoha.
- Ny mpino silamo tsara indrindra dia izay manatanteraka ny zon'Allah Tsitoha sy ny zon'ny mpino silamo.
- Ny fanaovana ratsy dia mety miseho amin'ny teny na amin'ny fihetsika.
- Ny fifindra-monina feno sy tena izy dia ny fialana amin’izay nandraran’Allah Tsitoha.