- Ny fahaverezan'ny fahafahan'ny olona iray dia mitranga na noho ny torimaso, izay manakana azy tsy hifoha amin'ny fanatanterahana ny andraikiny, na noho ny fahakelin'ny taonany sy ny fahazazany, izay mahatonga azy tsy ho mpanatanteraka, na noho ny zavatra nanjo azy toy ny hamamoana. Ka izay very fanavahana sy fiheverana marina, dia very aminy ny maha tompon'andraikitra azy noho ny iray amin'ireo antony telo ireo. Fa Allah noho ny fananany rariny sy fandeferany ary ny fahalalahan-tànany, dia nanafaka ny olona tamin’ny fanamelohana amin'izay fandikan-dalàna na tsy fitandremana ataony amin’ny zon'I Allah.
- Ny tsy fanoratana ny fahotan’izy ireo dia tsy mifanohitra amin’ny fanamafisan’ny didy eto an-tany momba azy ireo; Toy ny adala, raha namono olona, dia tsy misy sazy na fanonerana ho azy, ary ny havany salama saina no mandoa ny onotra.
- Misy famantarana telo ny fahampian-taona : ny fivoahan'ny tsirin'aina, ny nofy mando na ny famantarana hafa, ny fanirin'ny volo miafina, na ny fahafenoan'ny dimy ambin'ny folo taona, misy fahefatra fanampiny ny momba ny vehivavy dia ny : tonga fotoana.
- Nilaza i Sobki : Ny zaza dia ny zazalahy , niteny ny hafa : Ny zaza ao an-kibon-dreniny dia antsoina hoe vohoka raha teraka izy dia zaza, ary raha nitombo izy dia zazalahy hatramin'ny fito taona, dia tonga izy zaza tsy ampy taona hatramin'ny folo, avy eo tanora hatramin'ny dimy ambin'ny folo taona, ary ny azo antoka kokoa dia ny fiantsoana azy hoe zazalahy amin'ireo tranga rehetra ireo, hoy i Soyoti.