- Ny maha ratsy ny fanehoana ampahibemaso ny fahotana taorian'ny nanaronan’I Allah ilay Tsitoha azy.
- Ny fanambarana ampahibemaso ny fahotana natao dia fanaparitahana fahalotoam-pitondrahan-tena eo amin’ny mpino.
- Izay nosaronan’I Allah teto an-tany, dia hosaroniny ihany koa any ankoatra, ary izany dia vokatry ny haben’ny famindrampon’I Allah Tsitoha amin’ny mpanompony.
- Izay tafanao fahotana dia tokony hanafina ny tenany ary mibebaka amin’I Allah.
- Ny halehiben'ny fahotan'ireo izay mpampiharihary ny fahotana ary tsy hahazo fahasitranana amin'ny tenany.