- Mendrika ny famaizana ny olona nanapa-kevitra hanota ao am-pony sy izay mety ho antony mivantana.
- Fampitandremana mafy amin'ny ady fifamonoana eo amin'ny samy mpino Islamo ary fampanantenana lehibe fa hitoetra ao amin'ny Afobe.
- Ny ady eo amin'ny samy silamo amin'ny fahamarinana dia tsy tafiditra ao anatin'ity fandrahonana ity, toy ny ady atao amin'ireo mpandika lalàna sy ny mpihoa-pefy ary ny mpamotika.
- Ny olona mpanao fahotana lehibe dia tsy manala azy ho mpino silamo, Satria i Mpaminany (S.W.A) miantso ireo niady mifamono hoe : Mpino silamo.
- Raha misy Islamo roa mifanena amin'ny fomba rehetra ka misy ny fifamonoana, dia lasa ny iray mamono nynamany, dia samy any amin'ny helo avokoa ny mpamono sy ny nivonoina, ary ny sabatra voalaza ao amin'ny Hadith amin'ny fomba ohatra fanazavana sy fanehoana fotsiny.